Antaninarenina - Mpifoka rongony 21 nosamborin ny Polisy
Lehilahy 13 ka hatramin ’ ny 40 taona no voaraoka faobe tamin ’ ny fidorohana rongony teny Antaninarenina ny talata teo. Naharitra ora maro ny famotorana azy ireo teny amin ’ ny Fampanoavana omaly. Nalefa teny Antanimora avy hatrany ny ampahany tamin ’ izy ireo.