Note utilisateur: 0 / 5

Etoiles inactivesEtoiles inactivesEtoiles inactivesEtoiles inactivesEtoiles inactives
 
Andro maromaro lasa izay, voaendaka atoandrobenanahary ny zana-drahalahiko nanao vakansy tao 67ha, tanàna nahalehibe. Teo amin'ny Parking akaikin'ny CEG 67ha no nisian'izany. Olona iray manana fiara izay efa voaendaka teo amin'io toerana io ihany koa no nitondra azy tao amin'ny "chef quartier" ary ireo no nitondra azy tao an-trano hilaza fa voaendaka ilay zalahy. Efa maromaro ny olona nitaraina fa voaendaka teo amin'io faritra voalaza io nefa sady ao afovoan'ny fokontany 67ha avaratra andrefana izy io no misy mpiambina maromaro izay milaza ho samy manana ny faritra ambenany, io parking io. Faritra tsy azo andehanana alina intsony ilay tanàna nahabe. Tsy mivondrona intsony ihany koa ny olona fa samy mizaka mangina izay mahazo azy ireo. Tantara sisa , fotoana nampivaralila tanteraka ilay firaisankina. Efa nisy ny fivoriana handraisana fepetra amin'io tsi-fandriampahalemana io saingy tsy nahare ny tohiny aho. Mitovy daholo ny andehanan'ny ahiahin'izay anontaniana fa tsy mandeha irery ireo. Lasa mitovy ihany koa ny tenenin'ny olona rehefa misy ny voaendaka... izy koa dia efa voaendaka tao an-tanàna ihany, ary efa fantatra ny tohin'ny raharaha rehefa amin'ny tranga tahaka ireny fa dia ...

Lire la suite sur jentilisa.blaogy.com

Catégories

REMARQUE ! Ce site utilise des cookies.

En poursuivant votre navigation sur ce site, vous acceptez l’utilisation de cookies pour vous proposer des contenus et services adaptés à vos centres d’intérêts

J'ai compris